<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Andriamanitra nahary, FFPM824</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Andriamanitra nahary,
 Isaoranay ny Anaranao
 Nasehonao miharihary
 Ny herin'ny fitiavanao:

[C1]
   Fa ny Fiangonanao najoro
   Ho fiorenam-pahamarinana,
   Dia vatolampy tsy hikoro
   Sy andry azo ifikirana,

[V2]
 Ny teninao, Jeso Mpandresy,
 No nifahiran-dRasalama
 Tanaty memy nifanesy
 Sy fiakarana malama:
 Fa ny Fiangonanao sns...

[V3]
 Ny tranomaizim-pijaliana,
 Nampian'ny lefona mifofo,
 Nanjary hiram-pihobiana
 Nandresy lahatra ny nofo:
 Fa ny Fiangonanao sns...

[V4]
 Ilay nantsoina ho maritiora,
 Fitarikandro nanazava,
 Namerovero toy ny miora,
 Nandroaka aizina hisava:
 Fa ny Fiangonanao sns...</lyrics>
<hymn_number>824</hymn_number>
</song>